Letisia


Hisokatra ny 15 Novambra
izao ny taom-piotazana

Hisokatra ny 15 Novambra ho avy izao ny taom-piotazana letisia eto Madagasikara. Hitohy mandra-pahatongan’ny 20 novambra izany. Ny Vondron’ny mpanondrana letisia na Groupement des Exportateurs de Letchis(GEL) dia naneho ny fahavonan’ny mpandraharaha hiara-miasa amin’ny fanjakana eo amin’ny sehatry ny fanondranana letisia. Nodinihana ihany koa ireo fepetra hanatsarana ny kalitaon’ny fanondranana, ka isan'izany ny rafitra ara-pitaovana ahafahana manatsara ny lanjan’ny vokatra malagasy amin’ny fifaninanana eo amin’ny tsena iraisampirenena. Laharampahamehana ho an’ny fanjakana malagasy ny fanamafisana ny filaminana mandritra ny taom-piotazana, ny fanamorana sy ny fanafainganana ny fikirakirana ny entana, mba hanamaivana sy hanafaingana ny fitaterana sy fampiakarana ny vokatra eny ambony sambo. Hatao ihany koa izay hitsinjarana ara-drariny ny anjara vokatra letisia aondran'ny mpandraharaha tsy ankanavaka mandritra ity taom-piotazana ity.

Ami Ral

07 Novembre 2025

Commentaires